Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 10:1 - Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY rehefa ren’i Adoni-zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa afak’i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa ren’i Adony-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ka nataony zavatra voaozona i Ay; ary araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany sady nanao fihavanana tamin’ny Israely ny mponina tany Gibeona ka tafatoetra eo aminy,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Ren’i Adôny-Tsedèka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ary nopotehiny tanteraka i Hay sady novonoiny ny mpanjakany; ka tahaka izay nataony tamin’i Jerikao sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Hay. Reny koa fa ireo mponina tao Gibehôna dia efa nanao fanekempihavanana tamin’ny Israelita ka miara-monina aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ren’i Adôny-Tsedèka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ary nopotehiny tanteraka i Hay sady novonoiny ny mpanjakany; ka tahaka izay nataony tamin’i Jerikao sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Hay. Reny koa fa ireo mponina tao Gibehôna dia efa nanao fanekempihavanana tamin’ny Israelita ka miara-monina aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ren’i Adônisedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa i Haia dia efa azon’i Jôsoe, ka nataony anatema; toy ny nanaovany an’i Jerikô sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Haia sy ny mpanjakany koa, ary ny mponina ao Gabaôna efa nanao fihavanana tamin’i Israely ka mitoetra eo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 10:1
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra.


FA io Melkizedeka io, izay mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,


Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, ho any amin’i Hohama, mpanjakan’i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan’i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan’i Lakisy, ary Debira, mpanjakan’i Eglona, ka nanao hoe:


Ary naringany tamin’ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman-osy, na boriky.


Dia tahaka ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’i Ay sy ny mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.


Fa rehefa hitan’i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon’ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.


Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’i Josoa an’i Jeriko sy Ay,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra