Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 1:16 - Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia namaly an’i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia namaly an’i Josoa ireo hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Dia namaly an’i Josoa ireo ka nanao hoe: –Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia namaly an’i Josoa ireo ka nanao hoe: –Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia namaly an’i Jôsoe izy ireo, ka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra nandidianao anay, ary halehanay avokoa izay rehetra hanirahanao anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 1:16
10 Rohy Ifampitohizana  

Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:


Dia namaly ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny mpanomponao no hataonay:


Ary Josoa, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Mosesy tànana izy; dia nihaino azy ny Zanak’Isiraely ka nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.


Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo hianareo.


Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,


mandra-panomen’i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ny taninareo hianareo ka handova azy, dia ilay nomen’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’i Jordana.


Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra