Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 8:21 - Baiboly Katolika

21 Ny mponina avy amin’ny iray, hankany amin’ny iray hafa, ka hanao hoe: ‹Andao, andao re isika, hifona amin’i Iaveh sy hitady an’i Iavehn’ny tafika! - Izaho koa mba handeha!›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray dia hankany amin’ny tanàna iray hafa ka hiteny hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’NY TOMPO sy hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Izaho koa dia mba handeha!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 Ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray dia hankany amin’ny mponin’ny tanàna iray hafa ka hitaona azy hanao hoe ‹Ndao tokoa isika handeha hivavaka amin’ny TOMPO, eny, hitady an’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.› Dia hamaly ireo hoe: ‹Izahay koa mba handeha›.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray dia hankany amin’ny mponin’ny tanàna iray hafa ka hitaona azy hanao hoe ‹Ndao tokoa isika handeha hivavaka amin’ny TOMPO, eny, hitady an’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.› Dia hamaly ireo hoe: ‹Izahay koa mba handeha›.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 ary ny mponina ao amin’ny anankiray hankany amin’ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’i Jehovah sy hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro; izaho koa mba handeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray dia hankany amin’ny tanàna iray hafa ka hiteny hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’NY TOMPO sy hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Izaho koa dia mba handeha!

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 8:21
10 Rohy Ifampitohizana  

Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin’ny fo tokoa hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, avy amin’ny firenen’i Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.


Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko.


ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»


Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe: «Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna, ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika!»


Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an’i Iaveh isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara orana manamando ny tany.


Naniraka an’i Sarasara sy i Rogomeleky mbamin’ny olony, ny tany Betela hitalaho amin’i Iaveh,


Ka vahoaka maro amam-pirenena mahery no ho avy hitady an’i Iavehn’ny tafika ao Jerosalema, sy hifona amin’i Iaveh.»


Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra