Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 7:12 - Baiboly Katolika

12 no hoy ity Anjely taminy: «Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin’ity tovolahy ity, fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Fa novalian’i Tôbià hoe: –Tsy hihinana ary tsy hisotro na inona na inona aho, ambara-panapakao hevitra ny amiko. Ka hoy i Ragoela tamin’i Tôbià: –Eny àry fa hataoko izany. Omena anao araka ny tinapaky ny bokin’i Mosesy i Sarà; noho izany, dia Andriamanitra no nanapa-kevitra ny hanome azy anao. Koa raiso ho vady io havanao io. Manomboka izao, dia ho vady malalany ianao ary ho vady malalanao izy. Anao i Sarà, manomboka anio ka ho mandrakizay. Ilay Tompon’ny lanitra no hanao izay hahasoa hahatsara ity alina ity ho anareo roa, anaka. Enga anie Izy hamindrafo aminareo ary hampiadana anareo!

Jereo ny toko dika mitovy




Tôbita 7:12
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra