Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno Tôbita 6:13 - Baiboly Katolika13 Ka angataho amin-drainy izy, fa homeny anao ho vadinao.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Manan-jo hanambady azy ianao. Henoy tsara aho, ry sakaiza: dieny anio hariva, dia hiresaka momba io tovovavy io amin-drainy aho mba hahazoantsika azy ho fofombadinao; ary rehefa miverina avy any Ragao isika, vao hankalaza ny fanambadiana. Fantatro fa tsy afaka ny handà ny hanome an’i Sarà anao i Ragoela, ary tsy afaka ny hanolotra azy ho fofombadin’olon-kafa. Raha tsy izany, dia hovonoina ho faty izy, araka ny tinapaky ny bokin’i Mosesy, satria fantany fa anjaranao alohan’ny lehilahy hafa ny hanambady ny zanakavaviny. Koa henoy tsara aho, ry sakaiza: dieny anio hariva, izaho sy i Ragoela dia hiresaka ny amin’io tovovavy io sy hangataka azy ho fanambadianao. Rehefa miverina avy any Ragao isika, dia halaintsika izy hoentina any an-tranonao. Jereo ny toko |