Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Romana 3:7 - Baiboly Katolika

7 Nefa, raha ny laingako no nampiharihary kokoa ny fahamarinan’Andriamanitra ho voninahiny, ahoana indray no itsarana ahy ho mpanota?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Raha nitombo noho ny laingako kosa ny fahamarinan’Andriamanitra mba ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Raha ohatra kosa ny laingako no vao mainka maneho an’Andriamanitra ho azo antoka sy mampitombo ny voninahiny, nahoana no mbola melohina ho mpanota aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Raha ohatra kosa ny laingako no vao mainka maneho an’Andriamanitra ho azo antoka sy mampitombo ny voninahiny, nahoana no mbola melohina ho mpanota aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa raha ny fahamarinan’Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 3:7
17 Rohy Ifampitohizana  

Andeha hovonointsika izy, ka hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, sy holazaintsika hoe: nohanin’ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin’izany izay hiafaran’ny nofiny.»


Koa novonjen’i Iaveh ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptianina i Israely tamin’izany andro izany, ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina.


Nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe: «Lasa nandositra ny vahoaka.» Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka, fa hoy izy ireo: «Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?»


Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy amin’ny tanana mahery;


Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»


dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;


fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra araka ny Soratra Masina hoe: «Mba ho marina ianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra