Nitsangan-ko vavolombelona namely azy Ianao mba hamerina azy amin’ny lalànao, izy kosa nikiry tamin’ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.
«Ary ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo.
mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;