Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 35:12 - Baiboly Katolika

12 Izany tanàna izany, dia ho fialofana ho anareo tsy ho azon’ny mpamaly ra; mba tsy hovonoina, alohan’ny hisehoany hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana izay nahafaty olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ho fialofana ho anareo izany tanàna izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra ka tsy ho faty izay nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ireo tanàna ireo no ho fialokalofana mba hahafahanareo mandositra ny mpamaly faty; ka tsy ho faty izay nahafaty olona alohan’ny hisehoany fitsarana eo anatrehan’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ireo tanàna ireo no ho fialokalofana mba hahafahanareo mandositra ny mpamaly faty; ka tsy ho faty izay nahafaty olona alohan’ny hisehoany fitsarana eo anatrehan’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon’ny mpamaly ra izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 35:12
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro nitsangana ny tamingana rehetra hamely ny ankizy vavinao, ka nanao hoe: Atolory ilay namono ny rahalahiny, dia hataonay maty izy hanefa ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny, ka hataonay levona hatramin’ny mpandova aza! Ka izay tapa-porohana sisa amiko dia hovonoiny, mba tsy hisy tavela hamelo-maso ny anaran’ny vadiko na handimby azy eto ambonin’ny tany.»


Ka amin’ny tanàna homenareo, dia enina no ho tanàna fialofana ho anareo.


Ny mpamaly ra no hamono ny mpamono olona; amin’izay hifanenany aminy no hamonoany azy.


Toy izao ny hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha.


Raha tsy izany dia henjehin’ny mpamaly ra mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin’ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao hala volo teo aloha.


Anendreo tanàna fialofana ianareo araka izay nandidiako anareo tamin’ny alalan’i Môizy,


Ireo no tanàna natokana ho an’ny zanak’i Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy, alohan’ny hisehoany eo anatrehan’ny fiangonana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra