Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 35:11 - Baiboly Katolika

11 dia mifidiana tanàna ho tanàna fialofana ho anareo, mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fialofana ho anareo mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 dia hifidy tanàna izay hataonareo tanàna fialokalofana, mba hialokalofan’izay nahafaty olona tsy nahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 dia hifidy tanàna izay hataonareo tanàna fialokalofana, mba hialokalofan’izay nahafaty olona tsy nahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 dia hifidy tanàna hianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 35:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Nefa raha tsy nanao otrika taminy izy, fa tolotr’Andriamanitra no nahavoazan’ny tanany azy dia hoferako aminao izay toerana hahazoany ialofana.


Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,


Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,


Ireo no ho tanàna fialofana, ary ireo tanàna enina ireo, dia ho fialofana ho an’ny zanak’i Israely, ho an’ny vahiny ary ho an’izay mitoetra eo aminareo, mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.


«Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana 6, izay halaminareo handosiran’izay nahafaty olona; ary fanampin’izany dia homenareo tanàna hafa 42 koa izy,


ho fialofan’izay nahafaty ny namany tsy nahy, fa tsy fahavalony teo aloha, mba ho velona aina izay mandositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo.


Anendreo tanàna fialofana ianareo araka izay nandidiako anareo tamin’ny alalan’i Môizy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra