Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 31:41 - Baiboly Katolika

41 Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona ny fanomezana izay nalaina ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

41 Nomen’i Mosesy an’i Elehazara mpisorona ny hetra natao ho fanatitra ho an’ny TOMPO, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Nomen’i Mosesy an’i Elehazara mpisorona ny hetra natao ho fanatitra ho an’ny TOMPO, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an’i Jehovah, araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona ny fanomezana izay nalaina ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 31:41
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary lasa nandeha ny zanak’i Israely ary nanantanteraka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.»


Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Indro omeko anao ny fizakana ny zavatra rehetra voaavaka ho Ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin’ny zanak’i Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay.


ary olona 16.000, ka 32 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo.


Ny amin’ilay antsasany an’ny zanak’i Israely kosa, izay navahan’i Môizy tamin’ny an’ny mpanafika,


azy avokoa ny zavatra atokan’ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen’ny olona ho an’ny mpisorona dia ho azy.»


An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;


na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.


Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin’ny fananany rehetra.


Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra