Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 31:13 - Baiboly Katolika

13 Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona mbamin’ny lohan’ny fiangonana rehetra dia nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Nivoaka nitsena azy teo ivelan’ny toby i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Nivoaka nitsena azy teo ivelan’ny toby i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 31:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.


Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,


Izay mikasika faty, rehefa mety ho fatin’olona, dia haloto hafitoana.


dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’i Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan’i Moaba, akaikin’i Jordany tandrifin’i Jerikô.


Ary tezitra i Môizy tamin’ny mpitari-tafika, dia ireo tomponarivo sy tompon-jato, avy any amin’ny ady.


«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.


Nifoha maraina koa i Samoela hitsena an’i Saola, dia nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: «Tany Karmela i Saola nanangana tsangam-bato ho azy, ary avy eo izy dia niverina dia nandroso lavidavitra sy nidina nankany Galgalà».


Niverina i Davida nankany amin’izy roan-jato lahy izay reraka loatra ka tsy afa-nanaraka an’i Davida ka najanona tao amin’ny ranon-driaka Besôra, dia nitsena an’i Davida sy ny vahoaka izay niaraka taminy izy ireo. Nanatona azy ireo i Davida dia niarahaba azy tamim-pitiavana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra