Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 15:28 - Baiboly Katolika

28 Ny mpisorona hanao ny fanonerana, eo anatrehan’i Iaveh, ho an’ilay olona izay diso fa nanota tsy nahy, ka rehefa vita ny fanonerana natao ho azy, dia havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’NY TOMPO ka havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana eo anatrehako ho an’ilay olona nanota tsy nahy ka ho voavela ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana eo anatrehako ho an’ilay olona nanota tsy nahy ka ho voavela ny fahotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’i Jehovah, ka dia havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’NY TOMPO ka havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 15:28
5 Rohy Ifampitohizana  

Izay diloilo sisa mbola eo an-tanany kosa, dia hataony amin’ny lohan’ilay midio, ary hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ny mpisorona.


Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,


Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.


Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.


Amin’ny tompon-tany isan’ny zanak’i Israely sy amin’ny vahiny mitoetra eo aminareo dia lalàna iray ihany no ho anareo, raha misy manota tsy nahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra