Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 15:24 - Baiboly Katolika

24 raha misy nanota tsy nahy fa tsy fantatry ny fiangonana izany, dia hanatitra vantotr’ombalahy iray ny fiangonana rehetra, ho sorona dorana, ho fanatitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka momba azy, araka ny fomba voadidy, ary osilahy iray ho sorona noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 ary natao tsy nahy izany ota izany ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana manontolo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 Raha tsy nahy no nanotan’ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Raha tsy nahy no nanotan’ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr’ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah, mbamin’ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 ary natao tsy nahy izany ota izany ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana manontolo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 15:24
14 Rohy Ifampitohizana  

Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io: Ombalahy 100, ondralahy 200, zanak’ondry 400, ary osilahy 12, araka ny isan’ny fokon’i Israely ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.


Ary nanatitra sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’i Israely ny olona avy any amin’ny tany nahavoasesitany azy, dia ny zanaky ny fahababoana, ombalahy 12 ho an’i Israely rehetra, ondralahy 96, zanak’ondry 77, osy lahy 12, noho ny ota: natao sorona dorana ho an’i Iaveh izany rehetra izany.


Dia mamonoa koa osy lahy iray ho sorona noho ny ota, sy zanak’ondry roa, efa iray taona, ho sorom-pihavanana.


Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,


Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,


rehefa fantany ny fahotana nataony, dia osilahy tsy misy kilema no fanatitra hoentiny;


Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin’ny fanatitra masina fanao amin’i Iaveh, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin’ny andian’ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin’i Iaveh, hatao sorona fanonerana izany.


Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin’ny mpisorona hatao sorona fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany.


dia izay rehetra nandidian’i Iaveh anareo tamin’ny alalan’i Môizy, hatramin’ny andro namoahan’i Iaveh ny didy ka hatramin’ny taranaka mandimby anareo,


Havela heloka ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, mbamin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, satria tsy nahy no nanotan’ny vahoaka rehetra.


Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an’i Iaveh, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra