Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:42 - Baiboly Katolika

42 Aza miakatra, fa tsy eo afovoanareo i Iaveh, ka aza mitolo-batana ho resin’ny fahavalonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Aza miakatra satria tsy momba anareo NY TOMPO

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

42 Aza miakatra mankany satria tsy momba anareo ny TOMPO fandrao horesen’ny fahavalonareo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Aza miakatra mankany satria tsy momba anareo ny TOMPO fandrao horesen’ny fahavalonareo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

42 Aza miakatra satria tsy momba anareo NY TOMPO

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:42
9 Rohy Ifampitohizana  

ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.


Fa nasandratrao kosa ny tanana ankavanan’ny mpampahory azy, nampifalinao ny fahavalony rehetra.


Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeanina, ka ho lavon’ny sabatra ianareo, satria nivily tsy hanaraka an’i Iaveh ianareo, ka tsy homba anareo i Iaveh.»


Fa hoy i Iaveh tamiko: Lazao amin’izy ireo hoe: Aza miakatra ianareo ary aza miady, fa tsy eo afovoanareo Aho, ka aza atao izay handresen’ny fahavalonareo anareo.


Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?


Ka tsy natahotra ny fahavalony ny zanak’i Israely fa niamboho teo anoloan’ny fahavalony izy, satria tonga anatema. Tsy homba anareo intsony Aho amin’ny sisa, raha tsy esorinareo hiala aminareo ny anatema.


Mifona re aho, ry Tompo ô. Inona no holazaiko, fa i Israely ity no niamboho ny fahavalony.


Ka hoy izy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Dia taitra tamin’ny torimasony izy, ka nanao hoe: «Ho afaka amin’izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka»; satria tsy fantany fa efa niala taminy i Iaveh.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra