1 Tamin’izany andro izany dia nisy namaky teny tao amin’ny bokin’i Môizy mba ho ren’ny vahoaka; ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra, na oviana na oviana, ny Amônita sy ny Moabita,
1 Tamin’ny andro iray dia novakina teo anatrehan’ny olona ny teny ao amin’ny Bokin’i Mosesy ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra mandrakizay ny Amonita sy ny Moabita
1 Tamin’izany fotoanandro izany, dia novakîna ho ren’ny vahoaka ny teny raketin’ny bokin’i Mosesy; ka hita voasoratra tao fa ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra na oviana na oviana.
1 Tamin’izany fotoanandro izany, dia novakîna ho ren’ny vahoaka ny teny raketin’ny bokin’i Mosesy; ka hita voasoratra tao fa ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra na oviana na oviana.
1 TAMIN’izany andro izany dia novakina teo anatrehan’ny olona ny teny ao amin’ny bokin’i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra mandrakizay,
1 Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,
1 Tamin’ny andro iray dia novakina teo anatrehan’ny olona ny teny ao amin’ny Bokin’i Mosesy ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra mandrakizay ny Amonita sy ny Moabita
Dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, ny mponina ao Jerosalema rehetra, ny mpisorona, ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, ka novakiny teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana izay hita tao an-tranon’i Iaveh.
Dia nivavaka tamin’ny Andriamanitray izahay, sady nametraka mpiambina andro aman’alina, hanohitra azy sy hiaro tena aminy mba hisorohanay ny famelezany.
Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan’ny fiangonana, dia ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay rehetra efa manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay.
Izahao ao amin’ny bokin’i Iaveh ka vakio: Tsy misy tsy ao ireo na dia iray aza, na ity na itsy tsy misy tsy tonga ao. Fa ny vavan’i Iaveh no efa nandidy izany, ary ny fofon’ainy no nanangona azy.
An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada, mba hanitarany ny faritaniny,
Ka naniraka olona izy ho any amin’i Balaama, zanak’i Beôra, any Petôra, izay eo amoron’ny ony, eo amin’ny tanin’ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: «Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany.
Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagoga nanao hoe: «Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.»
Fa hatramin’ny taranaka mifanesy hatry ny ela dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra i Môizy, satria vakina ao amin’ny sinagoga isan-tsabata ny teniny.