Mpitsara 6:39 - Baiboly Katolika39 Fa hoy indray i Jedeôna tamin’Andriamanitra: «Aoka mba tsy hirehitra amiko ny hatezeranao, aoka ho afaka hiteny indray maka indray aho: mba te-hizaha kely indray mandeha monja amin’ny volon’ondry indray aho: aoka ny volon’ondry irery no ho maina, fa ny tany rehetra no hilatsahan’ny ando.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201139 Hoy ihany i Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho. Aoka mba hozahako izao indray mandeha izao monja ny amin’ny volon’ondry: Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina fa ny tany manontolo kosa no ho lenan’ny ando. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA39 Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra: –Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara39 Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra: –Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy39 Ary hoy koa Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin’ny volon’ondry: aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan’ny ando. Jereo ny tokoMalagasy Bible39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache39 Hoy ihany i Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho. Aoka mba hozahako izao indray mandeha izao monja ny amin’ny volon’ondry: Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina fa ny tany manontolo kosa no ho lenan’ny ando. Jereo ny toko |