Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 23:34 - Baiboly Katolika

34 Koa amin’izany, indro fa anirahako mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ianareo; fa ny sasany hovonoinareo sy hofantsihanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo amin’izay tanàna halehany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary noho izany dia indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanoradalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany dia hovonoinareo sy hohomboinareo amin’ny hazofijaliana, ny sasany dia hokapohinareo ao amin’ny sinagoganareo sy henjehinareo any amin’ny tanàna sy vohitra

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

34 Noho izany, indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpahay lalàna ho atỳ aminareo; ka ny sasany amin’ireny hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo any amin’ny sinagôganareo sy hoenjehinareo isan-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Noho izany, indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpahay lalàna ho atỳ aminareo; ka ny sasany amin’ireny hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo any amin’ny sinagôganareo sy hoenjehinareo isan-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary noho izany dia indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanoradalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany dia hovonoinareo sy hohomboinareo amin’ny hazofijaliana, ny sasany dia hokapohinareo ao amin’ny sinagoganareo sy henjehinareo any amin’ny tanàna sy vohitra

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 23:34
36 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’izay, dia niteny i Iaveh tamin’ny vavan’ny mpaminany mpanompony nanao hoe:


Ka niray tetika hamely an’io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, noho ny didin’ny mpanjaka.


Hazon’aina no vokatry ny marina; ary hendry izay mahazo ny fanahin’olona.


Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’i Iaveh nolazaina amin’ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: «Ho faty ianao!


Raha efa izany dia nodidian’ny mpanjaka i Jeremiely zanak’andriana, sy i Zaraiasa zanak’i Ezriely, ary i Selemiasa zanak’Abdeely, hisambotra an’i Baròka mpanoratra, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin’i Iaveh izy ireo.


Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.


Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»


Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.


ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.


Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.


Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa.»


Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria ka hatrany amin’ny fara vazantany.»


Tamin’izany andro izany, dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema tonga tao Antiôkia.


Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.


Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.


Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy, ka niditra tao an-tanàna. Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy i Barnabe.


I Jodà sy i Silasy, izay mpaminany koa, nanao teny maro mba hanafaka alahelo ny havana iray finoana sy hankahery fo azy ireo.


Dia narahin’izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apôstôly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo sy norarany mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany.


Mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany, na an’ny mpanapak’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;


Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny;


Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;


ary mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentily hahazoanay famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan’ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran’Andriamanitra aminy.


notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitady hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorîna,


Hifaly ny mponina etỳ ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetỳ an-tany ireo mpaminany roa ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra