Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 23:26 - Baiboly Katolika

26 Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ry Fariseo jamba! Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny ivelany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Ianao, ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kaopy sy ny lovia, ary dia hanjary madio koa ny vohony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ianao, ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kaopy sy ny lovia, ary dia hanjary madio koa ny vohony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ry Fariseo jamba! Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny ivelany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 23:26
12 Rohy Ifampitohizana  

aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.


Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?


Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?


Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely.


«Koa lazao fa tsara ny hazo sy ny voany; na hoe: ratsy ny hazo sy ny voany, satria ny voany no ahafantarana ny hazo.


Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»


ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahiny, ary ny farafara fihinanana.


ka hoy ny Tompo taminy: Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.


Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.


Noho isika manana ireo teny fampanantenana ireo àry, ry malala, dia aoka isika hanadio tena ho afaka amin’ny lotom-panahy amam-batana rehetra, ary hanatanteraka ny fanamasinan-tena amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.


dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra