Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:35 - Baiboly Katolika

35 Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany, ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ary nony nandroso kelikely Izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany Aminy, raha azo atao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

35 Dia nandroso kely i Jesoa ary niankohoka tamin’ny tany, ka nivavaka mba hialan’izany ora fijaliana izany aminy raha azo atao;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Dia nandroso kely i Jesoa ary niankohoka tamin’ny tany, ka nivavaka mba hialan’izany ora fijaliana izany aminy raha azo atao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

35 Ary nony nandroso kelikely Izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany Aminy, raha azo atao.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:35
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrama ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe:


Nahita ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Iaveh teo ambonin’ny trano ny zanak’i Israely rehetra, ka niankohoka tamin’ny tany tamin’ny lampivato, niankohoka nidera an’i Iaveh nanao hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»


Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»


Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.


Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra. - Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.


Dia nihataka tamin’izy ireo tokony ho tra-toraka Izy ka nandohalika, dia nivavaka,


Ary namaly azy i Jesoa, ka nanao hoe: «Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.


Ary niankohoka teo anatrehan’i Iaveh tahaka ilay teo aloha aho, efapolo andro sy efapolo alina, tsy nihinan-kanina na nisotro rano noho ny fahotana rehetra nataonareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’i Iaveh ka nahatezitra Azy.


Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe: «Amen.» Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra