Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:31 - Baiboly Katolika

31 Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Ary nilaza toy izany koa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Fa vao mainka koa nanamafy ny teniny i Petera nanao hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao. Ary dia samy nilaza toy izany avokoa ny mpianatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Fa vao mainka koa nanamafy ny teniny i Petera nanao hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao. Ary dia samy nilaza toy izany avokoa ny mpianatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handa Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:31
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Faraôna taminy: «Inona no tsy mahampy ny ilainao, no dia maniry hody any amin’ny taninao ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Tsy inona tsy inona akory fa avelao ihany aho mba handeha.»


Fa hoy i Hazaela: «Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany?» ary namaly i Elisea: «Efa nasehon’i Iaveh tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.»


Fa indray mipi-maso no aharetan’ny fahatezerany, ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany; ny hariva no tonga ny fitomaniana, ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.


Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.


Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.


Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.


Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.


Fantatro, ry Iaveh ô, fa tsy ny olombelona ny tompon’ny lalany, tsy mba an’ny olona mandeha, ny manitsy ny diany.


Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo, sady simba: iza no hahalala azy?


ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.


«Zakanay» hoy ireo taminy. Fa hoy kosa i Jesoa: «Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;


Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy maneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»


Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemanỳ izy ireo, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Mipetraha eto ianareo mandra-pivàvako.»


Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka.


Ary hoy i Piera taminy: «Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra