Levitikosy 8:31 - Baiboly Katolika31 Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy ny zanany: «Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ny hena, fa eo no hihinananareo azy, miaraka amin’ny mofo ao anaty sobika fanokanana, araka ny nandidiako hoe: i Aarôna sy ny zanany no hihinana azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201131 Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ireo zanany: Ahandroy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny hena; eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao amin’ny haron’ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: I Arona sy ireo zanany no hihinana azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA31 Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara31 Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy31 Ary hoy Mosesy tamin’i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay eo amin’ny haron’ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible31 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy. Jereo ny toko |