Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:26 - Baiboly Katolika

26 «Tsy misy anefa mahazo manokana voalohan-teraky ny biby fiompiny, fa efa an’i Iaveh rahateo izany noho ny mahavoalohan-teraka azy, ka na omby na ondry dia efa an’i Iaveh izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’NY TOMPO, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby na ondry na osy, fa efa an’NY TOMPO io.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 «Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an’ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan’ny isam-batan’olona mba hatokana ho an’ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an’ny TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 «Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an’ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan’ny isam-batan’olona mba hatokana ho an’ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an’ny TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’NY TOMPO, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby na ondry na osy, fa efa an’NY TOMPO io.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:26
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia niainga izy nony takariva, nankany an-tobin’ny Sirianina; ka tonga teo amin’ny fidiran’ny tobin’ny Sirianina izy, ka indro fa tsy nisy olona teo.


Nametra-teny izahay fa hanatitra ao an-tranon’i Iaveh isan-taona ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny santatry ny voankazo rehetra avy amin’ny hazo mamoa rehetra,


«Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.»


Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.»


Ary ny amin’ny biby maloto dia havotana araka izay tombany hataonao izy, hotongoavina ny ampahadiminy, fa raha tsy avotana izy dia hamidy araka izay hanombananao azy.»


Fa ny voalohan-teraky ny omby kosa, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy, dia aza asaina avotana fa masina ireny; ka ararakao eo ambonin’ny ôtely ny rany, hodoranao hanetona ny saborany, sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh;


satria Ahy ny lahy matoa rehetra. Tamin’ilay andro namelezako ny lahy matoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanokanako ho Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’i Israely, na olona na biby fiompy; ka dia Ahy ireo, fa Izaho no Iaveh.»


Atokàny ho an’i Iaveh Andriamanitrao ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinao, na vaventy na madinika; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinao,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra