Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:19 - Baiboly Katolika

19 Raha te hanavotra ny taniny ilay nanokana azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny nanombananao azy, dia hipetraka ho azy ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Raha tian’ilay nanamasina azy havotana ny tany dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataony tombany ka hijanona ho azy ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 «Raha tian’ny tompony havotana ny taniny, dia ny tombam-bidy tongoavana ampahadimy no haloany; dia hapetraka ho azy ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 «Raha tian’ny tompony havotana ny taniny, dia ny tombam-bidy tongoavana ampahadimy no haloany; dia hapetraka ho azy ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary raha tian’ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary raha tian'ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:19
4 Rohy Ifampitohizana  

Raha tiana havotana izy dia hotongoavana ny ampahadimin’izay nanombananao azy.»


«Raha misy olona manamasina ny tranony, manokana azy ho an’i Iaveh, dia hotombanan’ny mpisorona araka ny hatsarany na ny haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon’ny mpisorona no harahina.


fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.


Raha tsy avotany ny tany na amidiny amin’olona hafa dia tsy azo avotana intsony;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra