Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 23:41 - Baiboly Katolika

41 Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an’i Iaveh, lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany; amin’ny volana fahafito no hanaovanareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, hafitoana isan-taona. Ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby io; amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

41 Eny, hankalazainareo isan-taona izany, mandritra ny fito andro amin’ny volana fahafito, ho fanajana AHY: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Eny, hankalazainareo isan-taona izany, mandritra ny fito andro amin’ny volana fahafito, ho fanajana AHY: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izany; amin’ny volana fahafito nohitandremanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, hafitoana isan-taona. Ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby io; amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:41
5 Rohy Ifampitohizana  

Namakiana isan’andro ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy


Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin’izany andro izany mandra-pitondrànareo ny fanatitra ho an’ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’ny tany rehetra honenanareo.»


Amin’ny andro voalohany haka voan’ny hazo tsara tarehy ianareo, sampan-drofia, rantsan’ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana.


Trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana, trano rantsan-kazo avokoa no hitoeran’ny tompon-tany rehetra amin’i Israely,


Amin’ny andro faha 15n’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Hanao fety fankalazana an’i Iaveh mandritra ny hafitoana ianareo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra