Levitikosy 23:39 - Baiboly Katolika39 «Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito, rehefa manangona ny vokatry ny tany ianareo dia hankalaza ny fetin’i Iaveh, mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany ho fitsaharana lehibe, ny andro fahavalo koa ho fitsaharana lehibe. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201139 Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, rehefa manangona ny zavamaniry ianareo dia tandremo ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo koa dia andro fitsaharana. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA39 «Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ny vokatry ny tany, dia hanao fankalazana ianareo, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro; ka ny andro voalohany sy fahavalo dia ho andro fitsaharana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara39 «Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ny vokatry ny tany, dia hanao fankalazana ianareo, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro; ka ny andro voalohany sy fahavalo dia ho andro fitsaharana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy39 Ary amin’ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany hianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an’i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. Jereo ny tokoMalagasy Bible39 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. Jereo ny toko |