Levitikosy 16:24 - Baiboly Katolika24 dia handro amin’ny rano izy, vao hiakanjo ny fanamiana indray. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201124 Dia handro amin’ny rano eo amin’ny fitoerana masina iray izy ka hitafy ny fitafiany, dia handeha izy ka hanatitra ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny olona ary hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona izy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA24 Handro ao amin’ny faritra anankiray voatokana ho an’izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an’ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara24 Handro ao amin’ny faritra anankiray voatokana ho an’izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an’ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy24 Dia handro amin’ny rano eo amin’izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an’ny olona ka hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona. Jereo ny tokoMalagasy Bible24 Dia handro amin'ny rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona. Jereo ny toko |