Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 16:17 - Baiboly Katolika

17 Aza avela hisy olona ao an-trano lay fihaonana, raha miditra izy hanao ny fanonerana ao amin’ny fitoerana masina, mandra-pivoakany. Hanao ny fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ny fiangonan’i Israely rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Aza avela hisy olona ao amin’ny tranolay fihaonana raha miditra hanao fanavotana ao amin’ny fitoerana masina i Arona, mandra-pialany avy nanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Tsy tokony hisy olona eo amin’ny Tranolay fihaonana, manomboka hatreo amin’ny idiran’i Aharôna hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka mandra-pialany tao. Rehefa vita ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny ankohonany ary ho an’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Tsy tokony hisy olona eo amin’ny Tranolay fihaonana, manomboka hatreo amin’ny idiran’i Aharôna hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka mandra-pialany tao. Rehefa vita ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny ankohonany ary ho an’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary aza avela hisy olona ao amin’ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin’ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary aza avela hisy olona ao amin'ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Aza avela hisy olona ao amin’ny tranolay fihaonana raha miditra hanao fanavotana ao amin’ny fitoerana masina i Arona, mandra-pialany avy nanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 16:17
14 Rohy Ifampitohizana  

I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.


Aoka tsy hisy olona hiara-miakatra aminao; ary aoka tsy hisy olona hiseho eny an-tendrombohitra Sinaia rehetra eny; ary na ny ondry mbamin’ny omby aza, aoka tsy hihinana eny akaikin’ny tendrombohitra eny akory.»


Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.


Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an’ny fitoerana masina, noho ny fahalotoan’ny zanak’i Israely sy noho ny fahadisoany rehetra, araka ny fahotany. Torak’izany koa no hataony ho an’ny trano lay fihaonana, izay mipetraka ao amin’izy ireo eo afovoan’ny fahalotoany.


Rehefa hivoaka, dia ho eo amin’ny ôtely eo anatrehan’i Iaveh izy, hanao ny fanonerana ho an’ny ôtely, hangalany ny ran’ny ombalahy sy ny ran’ny osy lahy, anentenany ny tandroky ny ôtely, manodidina;


ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka, tamin’ny ora fanolorana ny emboka.


ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»


Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,


Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.


fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra