Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 16:16 - Baiboly Katolika

16 Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an’ny fitoerana masina, noho ny fahalotoan’ny zanak’i Israely sy noho ny fahadisoany rehetra, araka ny fahotany. Torak’izany koa no hataony ho an’ny trano lay fihaonana, izay mipetraka ao amin’izy ireo eo afovoan’ny fahalotoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan’ny Zanak’Israely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; toy izany koa no hataony ho an’ny tranolay fihaonana izay mitoetra eo anivony, eo afovoan’ny fahalotoany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Ary hotontosain’i Aharôna ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra, noho ny fahalotoana amam-pahadisoan’ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany; toy izany koa no hataon’i Aharôna amin’ny faritra sisa ao amin’ny Tranolay fihaonana, izay mitoetra miaraka amin’ny Israelita sady eo afovoan’ny fahalotoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ary hotontosain’i Aharôna ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra, noho ny fahalotoana amam-pahadisoan’ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany; toy izany koa no hataon’i Aharôna amin’ny faritra sisa ao amin’ny Tranolay fihaonana, izay mitoetra miaraka amin’ny Israelita sady eo afovoan’ny fahalotoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan’ny Zanak’Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an’ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan’ny fahalotoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an'ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan'ny fahalotoany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan’ny Zanak’Israely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; toy izany koa no hataony ho an’ny tranolay fihaonana izay mitoetra eo anivony, eo afovoan’ny fahalotoany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 16:16
12 Rohy Ifampitohizana  

Eo amin’ny tandrok’io ôtely io no hanaovan’i Aarôna ny fanoneram-pahotana indray mandeha isan-taona; ny ran’ny sorona fanoneram-pahotana no hanaovany ny fanoneram-pahotana ao, indray mandeha isan-taona, hatramin’ny taranaka mifandimby. Ho masina indrindra amin’i Iaveh io ôtely io.»


Aza avela hisy olona ao an-trano lay fihaonana, raha miditra izy hanao ny fanonerana ao amin’ny fitoerana masina, mandra-pivoakany. Hanao ny fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ny fiangonan’i Israely rehetra izy.


Rehefa hivoaka, dia ho eo amin’ny ôtely eo anatrehan’i Iaveh izy, hanao ny fanonerana ho an’ny ôtely, hangalany ny ran’ny ombalahy sy ny ran’ny osy lahy, anentenany ny tandroky ny ôtely, manodidina;


«Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny fanonerana; hanao fivoriana masina ianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.


Namono azy i Môizy dia naka tamin’ny ra dia notentenany manodidina tamin’ny rantsan-tanany ny tandroky ny ôtely ary nanadio ny ôtely izy, naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy.


Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin’ny ôtely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana eo amin’ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza.»


Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an’i Iaveh, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy.»


rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.


Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra