Levitikosy 14:25 - Baiboly Katolika25 Ary rehefa avy namono ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny ra avy amin’ny sorona fanonerana, hatentiny amin’ilay midio eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201125 Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana ary hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana ka hohosorany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA25 Hovonoin’ny mpisorona io zanakondrilahy sorom-panonerana io, dia hangalany ny rany mba hanentenany an’ilay diovina dia hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara25 Hovonoin’ny mpisorona io zanakondrilahy sorom-panonerana io, dia hangalany ny rany mba hanentenany an’ilay diovina dia hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy25 Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ny ravin-tsofina ankavanan’ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; Jereo ny tokoMalagasy Bible25 Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; Jereo ny toko |