Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:35 - Baiboly Katolika

35 Raha efa nolazainy hoe madio anefa izy, no nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Fa raha niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, rehefa nambarany fa madio izy,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

35 Fa raha taorian’ny nanambarana an’ilay olona hoe madio no nitaran’ny kimavo teo amin’ny hodiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Fa raha taorian’ny nanambarana an’ilay olona hoe madio no nitaran’ny kimavo teo amin’ny hodiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Fa raha nanitatra teo amin’ny hoditra mihitsy ny aretiny, rehefa natao hoe madio izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Fa raha nanitatra teo amin'ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

35 Fa raha niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, rehefa nambarany fa madio izy,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:35
7 Rohy Ifampitohizana  

raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, satria fery habokana izany.


Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.


ka amin’ny andro fahafito ny mpisorona hizaha ny fery kimavo indray: raha tsy nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo, sady tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, dia holazain’ny mpisorona hoe madio izany olona izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.


dia hozahan’ny mpisorona izy, ka raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny fery kimavo dia tsy ilaina intsony izay hizahan’ny mpisorona raha misy volon-koditra tomamotamo; fa maloto izany olona izany.


Raha manitatra eo amin’ny hoditra anefa ny anakandro taorian’ny nisehoany teo anatrehan’ny mpisorona mba hilazany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy


fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra