Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 11:46 - Baiboly Katolika

46 Izany no lalàna momba ny biby mandia tongotra efatra, ny vorona, ny zava-miaina rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, ary izay rehetra mandady amin’ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

46 Izany no lalàna momba ny biby sy ny vorona, ny zavamananaina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

46 Ireo no fepetra momba ny biby sy ny vorona ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano na mifanaretsaka ambonin’ny tany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

46 Ireo no fepetra momba ny biby sy ny vorona ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano na mifanaretsaka ambonin’ny tany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

46 Izany no lalàna ny amin’ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan-aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan-aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

46 Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 11:46
8 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»


Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Izao no lalàna amin’ny trano: Masina dia masina avokoa, ny tokotany rehetra momba azy manodidina, eo an-tampon’ny tendrombohitra. Izany no lalàna amin’ny trano.


Fa Izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.


mba hanavahanareo izay maloto sy izay madio ary ny biby fihinana sy izay tsy fihinana.


Izany no lalàna momba ny fery habokana, sy ny kimavo,


Izany no lalàna momba ny lehilahy mitsîka na voaloton’ny fandehanan’ny rano malotony,


Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra