Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 10:19 - Baiboly Katolika

19 Fa hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Izy ireo androany dia efa nanatitra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, teo anatrehan’i Iaveh; fa izaho kosa, noho ny nanjò ahy, moa ho nankasitrahina teo anatrehan’i Iaveh aho, raha nihinana ny sorona noho ny ota androany?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indro, androany no nanoloran’ny olona ny fanatitra fanadiovana azy sy ny fanatitra dorana manontolo avy taminy teo anatrehan’NY TOMPO; koa amin’izao zavatra manjo ahy izao, raha toa ka nihinana ny fanatitra fanadiovana aho androany, moa ho tsara teo imason’NY TOMPO va izany?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Dia i Aharôna kosa no namaly an’i Mosesy hoe: –Amin’izao andro nanateran’ny Israelita ny sorona fanalana ny otany sy ny sorona dorana manontolo teo anatrehan’ny TOMPO izao, dia fantatrao ny fahoriana nidona tamiko. Koa azoko natao ve, amin’ny andro toy izao, ny nihinana ny henan’ilay sorona fanalana ny ota? Tsy ho nankasitrahin’ny TOMPO velively izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia i Aharôna kosa no namaly an’i Mosesy hoe: –Amin’izao andro nanateran’ny Israelita ny sorona fanalana ny otany sy ny sorona dorana manontolo teo anatrehan’ny TOMPO izao, dia fantatrao ny fahoriana nidona tamiko. Koa azoko natao ve, amin’ny andro toy izao, ny nihinana ny henan’ilay sorona fanalana ny ota? Tsy ho nankasitrahin’ny TOMPO velively izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Arona niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Indro, andro-any no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan’i Jehovah, ary efa azon’izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota andro-any aho, moa ho tsara teo imason’i Jehovah va izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indro, androany no nanoloran’ny olona ny fanatitra fanadiovana azy sy ny fanatitra dorana manontolo avy taminy teo anatrehan’NY TOMPO; koa amin’izao zavatra manjo ahy izao, raha toa ka nihinana ny fanatitra fanadiovana aho androany, moa ho tsara teo imason’NY TOMPO va izany?

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 10:19
17 Rohy Ifampitohizana  

Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.


Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo.


Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoiko ny fitarainany, rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»


Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà, sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona doranareo; tsy mamiko ny soronareo.


Tsy hanolotra divay ho fanatitra araraka ho an’i Iaveh izy: ary tsy hankasitrahiny ny sorona ataony; fa toy ny fahan-kanina fisaonana izany aminy, ka haloto izay mihinana amin’izany; satria ny hanin’izy ireo ho an’ny tenany ihany, fa tsy hiditra ao an-tranon’i Iaveh.


Nony nandre izany teny izany i Môizy dia nankasitraka izany.


Novonoiny koa ny sorona dorana ka nony natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, dia naidiny manodidina ny ôtely.


Dia nanatona ny ôtely i Aarôna, namono ny zanak’omby hatao sorona noho ny ota, hatolotra ho an’ny tenany.


Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.


Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.


Izao koa no zavatra faharoan’izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan’i Iaveh intsony izay fanatitra, ary tsy raisiny intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin’ny tananareo.


Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.


Tsy nisy nohaniko ireo zavatra ireo tamin’ny fisaonako, na navoakako ny tranoko tamin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina raha nisy maty, fa nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitro aho, ary nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.


Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; eny averiko indray: mifalia e!


ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.


Ambaran’ny Fanahy Masina amin’izany fa tsy mbola naseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao koa ny tranolay voalohany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra