Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 6:8 - Baiboly Katolika

8 Nony efa niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe, dia nandeha ireo mpisorona fito, nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’i Iaveh sy nitsoka trômpetra, ary ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nandroso teo aoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Rehefa avy niteny tamin’ny vahoaka i Josoa dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’NY TOMPO ka nitsoka ny anjomara; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO no nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Dia araka izay baiko nomen’i Josoa no fizotran-javatra. Ny mpisorona fito mitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia araka izay baiko nomen’i Josoa no fizotran-javatra. Ny mpisorona fito mitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary rehefa niteny tamin’ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran’ny faneken’i Jehovah nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Rehefa avy niteny tamin’ny vahoaka i Josoa dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’NY TOMPO ka nitsoka ny anjomara; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO no nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 6:8
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Raha izany àry no ataonareo ka hioman-kiady eo anatrehan’i Iaveh ianareo,


Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: «Mandrosoa ianareo mandehana manodidina ny tanàna, ary aoka handeha eo alohan’ny fiaran’i Iaveh ny lehilahy mitam-piadiana.»


Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan’ny mpisorona nitsoka trômpetra, ary ny vody lalana kosa nanarakaraka ny fiara; teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra