Josoa 22:20 - Baiboly Katolika20 Moa tsy i Akàna zanak’i Zare va no nanao fahotana, ny amin’ny zavatra natao anatema, moa tsy ny fiangonan’i Israely va no nipoahan’ny hatezeran’i Iaveh? Ka dia tsy izy irery no maty noho ny heloka nataony?» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201120 Tsy nandika ny didy va i Akana, zanak’i Zera, tamin’ny zavatra voaozona, kanefa nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Israely manontolo? Ary tsy io lehilahy io irery ihany no maty tamin’izany helony izany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA20 Moa tsy i Hakàna zanakalahin’i Zera ve no nandika ny fepetra momba ny zavatra natao hafoy ho an’ny TOMPO, kanefa dia ny fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO? Ary tsy i Hakàna irery ihany no maty tamin’ny fahadisoany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 Moa tsy i Hakàna zanakalahin’i Zera ve no nandika ny fepetra momba ny zavatra natao hafoy ho an’ny TOMPO, kanefa dia ny fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO? Ary tsy i Hakàna irery ihany no maty tamin’ny fahadisoany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy20 Tsy nandika ny didy va Akana, zanak’i Zera, tamin’ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin’izany helony izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible20 Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache20 Tsy nandika ny didy va i Akana, zanak’i Zera, tamin’ny zavatra voaozona, kanefa nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Israely manontolo? Ary tsy io lehilahy io irery ihany no maty tamin’izany helony izany. Jereo ny toko |
Hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy i Eleazara ary i Itamara: «Aza avelanareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty ianareo, ary ho tratry ny hatezeran’i Iaveh ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak’i Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitr’i Iaveh izao.