Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 19:34 - Baiboly Katolika

34 Niolaka niankandrefana any Azanôta-Tabôra ny faritra, ary avy ao dia nihatra tany Hokôkà, nipaka tamin’i Zabolôna eo atsimo, sy tamin’i Asera eo andrefana, ary tamin’i Jodà, teo akaikin’i Jordany, eo atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 mitodika miankandrefana hatrany Aznota-Tabara, mandroso hatrany Hokoka, mihatra amin’i Zebolona eo atsimo sy i Asera eo andrefana ary Joda amoron’i Jordana eo atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

34 Eo andrefan’i Helefa kosa dia mihodina mankany Aznôta-Jabôra ilay sisin-tany ary mandroso hatrany Hakôla. Miolotra amin’ny tanin’i Zebolòna kosa ny sisin-tany, lafy atsimo; miolotra amin’ny tanin’i Asera ny sisin-tany, lafy andrefana; ary i Jôrdàna no sisin-tany, lafy atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Eo andrefan’i Helefa kosa dia mihodina mankany Aznôta-Jabôra ilay sisin-tany ary mandroso hatrany Hakôla. Miolotra amin’ny tanin’i Zebolòna kosa ny sisin-tany, lafy atsimo; miolotra amin’ny tanin’i Asera ny sisin-tany, lafy andrefana; ary i Jôrdàna no sisin-tany, lafy atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’i Jordana eo atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 mitodika miankandrefana hatrany Aznota-Tabara, mandroso hatrany Hokoka, mihatra amin’i Zebolona eo atsimo sy i Asera eo andrefana ary Joda amoron’i Jordana eo atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 19:34
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny amin’i Neftalì dia hoy izy: «Vokin’ny tombon-tsoa ianao, ry Neftalì, ary feno ny fitiavan’i Iaveh; ka raiso ho fanananao ny ranomasina sy ny any atsimo».


Avy eo Sarida dia niolaka niantsinanana manandrify ny masoandro miposaka hatrany amin’i faritr’i Keseleta-Tabôro, nihatra hatrany Dabereta, ary niakatra hatrany Jafie.


Ary ny faritry ny taniny dia nikasika ny tany Tabôra sy Sedesema ary Bety-Samesy, ka tafapaka hatrany Jordany, tanàna 16 sy ny zana-bohiny.


Ny faritry ny taniny dia hatrany Helefa avy eo amin’ny aoka ao Saananima no nankany Adamy-Nekeba sy Jebnaela ka hatrany Lekoma, dia nihatra tao Jordany.


Ny tanàna mimanda dia i Asedima, i Sera, i Emata, i Rekata, i Kenereta,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra