Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 1:5 - Baiboly Katolika

5 Raiki-tahotra ny matilò ka samy nitaraina tamin’izay andriamaniny avy, sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina, mba hanamaivana azy; fa i Jônasy kosa nidina tao ambodi-sambo, dia nandry ka renoka natory tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Raiki-tahotra ny tantsambo ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy, sady nanary tany an-dranomasina ny entana tao an-tsambo mba hanamaivanana azy. I Jona kosa anefa tamin’izay dia nidina nandry tao ambany indrindra tao amin’ilay sambo ka renoky ny torimaso.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Natahotra mafy ny matilò ka samy niantso vonjy tamin’ny andriamaniny avy. Dia natsipy tany an-dranomasina ny entana mba hanamaivana ny sambo. Tamin’izay kosa i Jônà efa nidina nandry tao anaty sambo iray ka resin-tory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Natahotra mafy ny matilò ka samy niantso vonjy tamin’ny andriamaniny avy. Dia natsipy tany an-dranomasina ny entana mba hanamaivana ny sambo. Tamin’izay kosa i Jônà efa nidina nandry tao anaty sambo iray ka resin-tory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy, sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Raiki-tahotra ny tantsambo ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy, sady nanary tany an-dranomasina ny entana tao an-tsambo mba hanamaivanana azy. I Jona kosa anefa tamin’izay dia nidina nandry tao ambany indrindra tao amin’ilay sambo ka renoky ny torimaso.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 1:5
22 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran’i Baala izy, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe: «Ry Baala ô, valio izahay!» Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo.


Fa hoy ny navalin’i Satana an’i Iaveh: «Hoditra fefin’ny hoditra! Izay ananan’ny olona dia atolony ho fefin’ny ainy avokoa.


Fa niteny Izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra, izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina;


afo aman-kavandra, oram-panala aman’etona, rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,


Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.


Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.


Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andron’ny fahorianao. Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao, ry Jodà.


Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao, nefa Izaho iambohoany.


Koa dia niantso an’i Iaveh izy nanao hoe: «Endrey! ry Iaveh ô! aoka tsy ho faty noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria Ianao no nanao araka izay sitrakao, ry Iaveh ô!»


Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: «Inona ity ataonao no matory foana? Mitsangàna antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika».


Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.


Ary niverina Izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony;


Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.


Ary rehefa voky izy ireo, dia nanariany tany anaty ranomasina ny varimbazaha, mba hanamaivana ny sambo.


Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanàra ny foto-bolo fito amin’ny lohan’i Samsôna dia niantomboka tamin’izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny.


Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony, hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra