Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joba 26:2 - Baiboly Katolika

2 «Akory ity fahaizanao manohana ny osa, sy mamonjy ny tanana reraka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Endre! Izato fanohananao ny tsy manan-kery sy izato fampatanjahanao ny sandry malemy!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Endrey ny fahaizanao manampy ny osa sy mampahatanjaka ny miraviravy tanana toa ahy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Endrey ny fahaizanao manampy ny osa sy mampahatanjaka ny miraviravy tanana toa ahy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery hianao Sy nampahatanjaka ny sandry malemy!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!

Jereo ny toko dika mitovy




Joba 26:2
15 Rohy Ifampitohizana  

Nony nitataovovonana ny andro, nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe: «Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.»


«Marina tokoa fa ianareo ihany dia sahala fahendrena amim-bahoaka be, ka dia hiara-maty aminareo ny fahendrena!


Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:


Endrey izato fanoronao ny tsy mahalala, sy izato habetsahan’ny fahendrena asehonao!


Tenanareo rehetra aza no efa nahita maso izany! Ka ahoana ianareo no mandahandahatra foana?


Inona moa ny heriko, mba hanantenako? Ohatrinona no halavan’ny androko, mba haharetako?


Herim-bato va ny heriko? Ary varahina va ny nofoko?


Tsy efa foana amiko va ny vonjy rehetra? Tsy efa alàna amiko va ny toky rehetra hahitana famonjena?


Endrey izany herin’ny teny marina! Fa mba inona kosa no iharan’ny faninianareo?


Aza arianao aho amin’ny andron’ny fahanterako; ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.


sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra