Jeremia 50:44 - Baiboly Katolika44 Indro izy miakatra toy ny liona, avy ao an-kirihitralan’i Jordany, izay misy vilona mandrakariva, fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao, ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao. fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy, ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201144 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy; nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy; fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako? Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA44 Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara44 Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy44 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana No hiakarany ho any amin’ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, Ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako? Jereo ny tokoMalagasy Bible44 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako? Jereo ny tokoLa Bible en Malgache44 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy; nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy; fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako? Jereo ny toko |