Jeremia 50:45 - Baiboly Katolika45 Koa henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Babela, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin’ny Kaldeanina; Eny, hotaritarihina hoatra ny ondry osa izy; ary ho gaga foana amin’izany ny tanim-bilona! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201145 Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Babilona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ny ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA45 Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara45 Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy45 Koa henoy ny saina avy amin’i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an’i Babylona, Sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible45 Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. Jereo ny toko |