Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 42:19 - Baiboly Katolika

19 Ry sisa amin’i Jodà ô, izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza miditra any Ejipta ianareo; fantaro tsara fa efa nanariko ampahibemaso ianareo izao androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 NY TOMPO efa nilaza taminareo, ry sisa amin’ny Joda hoe: Aza mankany Ejipta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko ianareo androany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Dia mbola nampian’i Jeremià hoe: –Ny TOMPO mihitsy no miteny aminareo sisa tavela amin’ny fanjakan’i Joda mba tsy hankany Ejipta. Aoka ho fantatrao tokoa fa vavolombelona aminareo aho androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia mbola nampian’i Jeremià hoe: –Ny TOMPO mihitsy no miteny aminareo sisa tavela amin’ny fanjakan’i Joda mba tsy hankany Ejipta. Aoka ho fantatrao tokoa fa vavolombelona aminareo aho androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin’ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta hianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 NY TOMPO efa nilaza taminareo, ry sisa amin’ny Joda hoe: Aza mankany Ejipta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko ianareo androany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 42:19
17 Rohy Ifampitohizana  

Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.


«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.


Dia namaly ny tily nanao hoe: «Tonga ny maraina, ary ny alina koa. Raha te-hanontany ahy ianareo, manontania; tongava indray amin’ny fotoana hafa.»


Fa raha mandà tsy hivoaka ianao dia izao no nambaran’i Iaveh tamiko:


Niodina tamin’io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve!


Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.


Fa raha misy marina nanarinao tsy hanota, ka tsy nanota tokoa, dia ho velona tokoa izy, satria nahazo anatra; ary ianao koa, ho efa namonjy ny fanahinao».


Nahoana no dia nentin’i Iaveh amin’ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika ho lasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?»


Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: «Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.»


Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany,


Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy i Iaveh taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony amin’ny sisa.


Koa rehefa hidiran-doza amam-pahoriana be izy, dia izao tononkira izao no ho vavolombelona hiampanga azy, fa tsy ho very tadidy, tsy ho afaka am-bavan’ny taranany izao. Satria efa fantatro izay saina eo aminy hatramin’ny ankehitriny, na dia alohan’ny hampidirako azy any amin’ny tany nampanantenaiko tamim-pianianana aza».


ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra