Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 25:16 - Baiboly Katolika

16 Hisotro amin’izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoan’izy ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Hisotroany anie izany ka hampivembena sy hahavery saina azy eo anoloan’ny fandringanana izay halefako eo anivony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hisotroany anie izany ka hampivembena sy hahavery saina azy eo anoloan’ny fandringanana izay halefako eo anivony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:16
16 Rohy Ifampitohizana  

Lazao azy ireo izao teny izao: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.» Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va, fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»


Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo, dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, - teny marin’i Iaveh; - tsy hotsitsiko, tsy hananako antra, tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»


Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»


Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.


Ataovy doroka izy, fa nitsangan-kanohitra an’i Iaveh. Aoka i Moaba hihosinkosina amin’ny loany, ary aoka izy koa ho tonga fihomehezana!


Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro, ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana: dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay, sy tsy hahatsiaro intsony; - teny marin’i Iaveh. -


Kapoaka volamena teny an-tanan’i Iaveh i Babela, nahamamo ny tany rehetra izy; nisotro ny divainy ny firenena ka tonga mibedibedy foana ny firenena.


Novokisany zava-mangidy aho, nobobòhany absinta.


Mifalia sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Edôma, izay monina any amin’ny tanin’i Hosa! Horosoana ny kapoaka koa ianao; ka himamo dia hitanjaka.


Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, no hisotroan’ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa; hisotro izy, hitelina izy, ary ho toy ny tsy nisy akory izy.


Ianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony; ianao koa eo anatrehan’ny fahavalo hitady fialofana.


dia izy no hisotro ny divain’ny fahaviniran’Andriamanitra, izay naidina ao amin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy misy famahony; sady hampijalin’ny afo aman-tsolifara eo anatrehan’ny Anjely masina sy ny Zanak’ondry.


Nanaraka an’io, dia nisy Anjely anankiray hafa nanao hoe: «Rava, rava, i Babilôna lehibe, ilay nampisotro ny firenena ny divaim-pahatezerana tamin’ny fijangajangany.»


Satria ny firenena rehetra nisotro ny divaim-pahatezerana noho ny fijangajangany; ny mpanjakan’ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpivarotra etỳ an-tany nahazo harena tamin’ny filibàny amin’ny zava-mahafinaritra azy nihoa-pampana.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra