Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:25 - Baiboly Katolika

25 Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady ny ainao ianao, ho eo an-tanan’ireo mampangovitra anao eo anoloany; ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ho eo an-tanan’ny Kaldeanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 ka hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainao sy eo an-tanan’izay atahoranao, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo amin’ny tanan’ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Hatolotro ho eo an-tanan’ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny andian-tafiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Hatolotro ho eo an-tanan’ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny andian-tafiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ka hatolotro eo an-tànan’izay mitady ny ainao Sy eo an-tànan’izay atahoranao, Dia eo an-tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, Sy eo amin’ny tànan’ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 ka hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainao sy eo an-tanan’izay atahoranao, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo amin’ny tanan’ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:25
8 Rohy Ifampitohizana  

Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’i Joasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.


Izay atahoran’ny ratsy fanahy, mihatra aminy; ary izay irin’ny marina kosa omen’Andriamanitra azy.


Manaraka izany, - teny marin’i Iaveh, - hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.


Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?


Koa ankehitriny, efa natolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko, ireto tany rehetra ireto; nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha aza, hanompo azy.


Dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: «Velona i Iaveh izay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin’ireo olona mitady ny ainao ireo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra