Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 7:3 - Baiboly Katolika

3 dia hoy ny rahalahiny taminy: «Mialà eto Ianao, ka mankanesa any Jodea, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa ataonao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 koa hoy ny rahalahiny Taminy: Mialà eto Ianao ka mandehana ho any Jodia mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 ka hoy ny rahalahin’i Jesoa taminy: –Mialà eto Ianao ka mandehana any Jodea, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ireo asa ataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 ka hoy ny rahalahin’i Jesoa taminy: –Mialà eto Ianao ka mandehana any Jodea, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ireo asa ataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 koa hoy ny rahalahiny Taminy: Mialà eto Ianao ka mandehana ho any Jodia mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 7:3
17 Rohy Ifampitohizana  

Andeha hovonointsika izy, ka hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, sy holazaintsika hoe: nohanin’ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin’izany izay hiafaran’ny nofiny.»


Fa na rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza, mamadika anao; ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao; aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.


Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,


Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo: «Efa very saina Izy.»


Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.


Ary tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,


ka nisy nilaza taminy hoe: «Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.»


I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady.


Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny sinagoga tany Kafarnaoma Izy.


Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany»


Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.


fa tsy misy mitady ny tenany ho fantatr’olona ka manao zavatra amin’ny takona. Raha manao izany zavatra izany Ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.»


Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.


Tamin’izay, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera ka nanao antso avo tamin’ireo hoe: Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko.


Nirehitra tamin’i Davida ny fahatezeran’i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin’ireo olona ireo izy, ka hoy izy: «Fa inona moa no nidinanao atỳ? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an’efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao tatỳ!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra