Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 5:3 - Baiboly Katolika

3 Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Tao no nandrian’ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny maty ila, izay miandry ny fihetsehan’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 ary marobe ny marary nandry tamin’ireo lala-mitafo ireo: dia ny jamba, ny mandringa, ny maty ila. [Niandry ny fihetsehan’ny rano izy rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 ary marobe ny marary nandry tamin’ireo lala-mitafo ireo: dia ny jamba, ny mandringa, ny maty ila. [Niandry ny fihetsehan’ny rano izy rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Tao no nandrian’ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 5:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony ren’i Jerôbôama mpanjaka ny tenin’ity olon’Andriamanitra, niantso amin’ny ôtely tao Betela dia naninjitra ny tanany avy eo ambony ôtely izy, ka nanao hoe: «Sambory ilay io.» Kanjo maina terỳ ny tanany izay nahinjiny hanondro azy, ka tsy azony navonkina intsony.


Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!


Tsara ny miandry amim-panginana, ny famonjen’i Iaveh.


Loza ho an’ny mpiandry tsinontsinona, izay mandao ny ondry! Aoka hasian’ny sabatra ny sandriny sy ny masony ankavanana; ka ny sandriny ho maina, ary ny masony ankavanana ho faty!»


Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny.


Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.


ka izao no navaliny an’ireto iraka: «Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torina amin’ny mahantra ny Evanjely,


Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy.


Fa nidina tao anatin’ny dobo ny Anjelin’Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin’ny dobo rehefa nihetsiketsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretiny.


Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.


Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra