Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 11:3 - Baiboly Katolika

3 Dia naniraka tany amin’i Jesoa ireto anabaviny hilaza hoe: «Tompo, marary ilay tianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nandefa iraka tany amin’i Jesosy izy mirahavavy mba hilaza hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa izy mirahavavy hilaza hoe: –Tompo ô, marary ilay sakaizanao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa izy mirahavavy hilaza hoe: –Tompo ô, marary ilay sakaizanao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’i Jesosy hanao hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 11:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»


Ny olo-masina izay ety amin’ny tany, ireo malaza, dia tiako amin’ny foko rehetra».


Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: «Aza mitomany.»


Nisy lehilahy anankiray narary, dia i Lazara avy any Betania, vohitr’i Maria sy Marta rahavaviny.


Nony voalazany izany dia nampiany hoe: «Matory i Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy Aho.»


I Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary.


Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa: «Raha tatỳ Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko.


Dia hoy ny Jody: «Akory ity haben’ny fitiavany azy!»


Ary tian’i Jesoa i Marta sy i Maria rahavaviny ary i Lazara.


Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa Aho.


Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa no teo anilany niankina tamin’ny tratrany,


Nijanona any Kôrinto i Erasta; ary navelako any Mileto i Trôfima fa narary.


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra