Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 1:7 - Baiboly Katolika

7 tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Tonga mba ho vavolombelona hanambara ny mazava izy, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain’i Jôhany no hampino ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain’i Jôhany no hampino ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 1:7
16 Rohy Ifampitohizana  

Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany


Nanambara Azy i Joany, ka niantso nanao hoe: «Izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.


Ary izao no nambaran’i Joany raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?


ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra.»


Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao.


Dia hoy i Paoly: «Batemim-pibebahana no nomen’i Joany, fa Ilay ho avy ao aoriany, izany hoe i Jesoa no nambarany ho tsy maintsy hinoan’ny vahoaka.»


fa efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.


sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra.


Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.


Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,


Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra