Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 65:1 - Baiboly Katolika

1 Nekeko hotadiavin’izay tsy nangataka ahy aho, nety ho hitan’ireo tsy nitady ahy aho; Hoy aho: «Inty aho, Inty aho!» tamin’ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Notadiavin’izay tsy naniry Aho ary hitan’izay tsy nitady; hoy Aho tamin’ny firenena izay tsy niantso ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Dia hoy ny TOMPO hoe: Efa vonona hamaly Aho saingy tsy nisy nanontany; efa niandry Aho, saingy tsy nisy nitady fanampiana tamiko; koa firenena izay tsy niantso Ahy akory no nanambarako hoe: «Inty Aho! Inty Aho!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Dia hoy ny TOMPO hoe: Efa vonona hamaly Aho saingy tsy nisy nanontany; efa niandry Aho, saingy tsy nisy nitady fanampiana tamiko; koa firenena izay tsy niantso Ahy akory no nanambarako hoe: «Inty Aho! Inty Aho!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 NOTADIAVIN’izay tsy naniry Aho Sy hitan’izay tsy nitady; Hoy Izaho tamin’ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 65:1
20 Rohy Ifampitohizana  

niherika izy ka nahatazana ahy dia niantso ahy, sy nolazaiko hoe: ‹Inty aho.›


Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!


Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.


Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Indro ny Andriamanitrareo!»


Izaho no voalohany nilaza tamin’i Siôna hoe: «Indro! indreo izy.» ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly hoe an’i Jerosalema Aho.


Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!


Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.


Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo eo aminao, noho ny amin’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao.


Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory, sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao. Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!


Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!


Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, afaka ny aretinao.»


Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.


Ny an’i Izaia indray aza no manoatra, fa hoy izy: «Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.»


Inona àry no holazaintsika? Ny Jentily izay tsy nitady ny fahamarinana ity no nahazo ny fahamarinana, dia ny fahamarinana avy amin’ny finoana;


dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha, fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny, ary tsy nahazo famindram-po koa taloha, fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra