Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 5:25 - Baiboly Katolika

25 Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy; nihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Koa izany no irehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny olony sy anaingany ny tanany aminy ka amelezany azy; dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ny olona dia tonga tahaka ny fako eny an-dalambe. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Koa izany no irehetan’ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny olony Sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, Ary ny fatin’ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dàlambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Koa izany no irehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny olony sy anaingany ny tanany aminy ka amelezany azy; dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ny olona dia tonga tahaka ny fako eny an-dalambe. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 5:25
60 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny tamingan’i Jerôbôama maty an-tanàna hohanin’ny alika; ary izay maty an-tsaha hohanin’ny voromanidina; satria efa niteny i Iaveh.


Ka ny tamingan’i Baasà maty an-tanàna, hohanin’ny alika, ary ny tamingany maty an-tsaha, hohanin’ny voromanidina.»


Izay an’ny tranon’i Akaba ka maty an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin’ny voromanidina.


Ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh dia natolony teo an-tanan’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela mandrakariva izy.


Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.


Andriamanitra! Tsy misy mahaketraka ny hatezerany, na inona na inona, mitanondrika eo anoloany ireo maro mpisolanandrana.


Dia nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, ary tonga tsy tiany mainty ny lovany.


Mangovita eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo, ry tany, dia eo anatrehan’ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba,


Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary nitaraina tamin’ny Andriamanitro aho; ka reny tany an-tempoliny ny feoko; tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.


Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny vahoakanao Ianao, ka nandroso teo amin’ny efitra. - Selà


Nandatsaka ny ranony ny rahona, nikotrokotroka ny feon’ny rahona, dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza ny zana-tsipìkanao.


Mamindra fo anefa Izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.


Ataovy tahaka an’i Madiàna ireo, tahaka an’i Sisarà, mbamin’i Jabìna teo amin’ny ranon’i Sisôna.


Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»


Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.


fa ianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin’ny sabatra, sy voavarina any amin’ny sola-baton’ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy.


I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.


Haninji-tanana ihany izy, ao anatin’izany fotaka izany, toy ny mpilomano maninji-tanana hilomano; nefa haetrin’i Iaveh ny avonavony, na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tanany.


dia hoporetiko mafy i Ariela, ka tsy hisy afa-tsy sento amam-pitarainana ao; fa ho tahaka an’i Ariela ho ahy izy;


Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.


Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka eny an-joron-dalana rehetra eny, mova tsy ny antilôpa voan’ny fandrika harato, jenjin’ny hatezeran’i Iaveh sy ny fandrahonan’ny Andriamanitrao.


zavatra izay mbola tsy re tsaika akory! Tsy mbola nisy sofina nandre, tsy nisy maso nahita, izay andriamanitra hafa manao toy izany, ho an’ny manantena azy, afa-tsy Ianao.


Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda.


Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.


dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistinina any Andrefana, ka ho lanin’ireo, hataony be am-bava, i Israely. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Noho izany ny zatovon’izy ireo tsy ankasitrahin’ny Tompo, ary ny kamboty amam-mpitondratenany, tsy ananany antra; satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana sy ratsy fanahy avokoa, ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana, ka mandevona ny hery sy ny tsilo; mampiredaka ny hery milobolobo amin’ny ala, ka ny setroka misavoana mitambolimbolina.


Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin’i Iaveh - dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin’ny tany, hihinana sy handringana.


Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany. Ho fatin’ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina amam-bibin’ny tany.»


Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.


Mijery ny tendrombohitra aho, ka mihozongozona izy; ary ny havoana rehetra mivembena avokoa.


Noho izany misikìna lamba malailay ianareo; mitomania sy midradradradrà; fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, tsy nihodivitra antsika.


Ny tranony ho lasan’ny hafa; ny sahany mbamin’ny vadiny torak’izany koa. Fa haninji-tanana amin’ny mponina amin’ny tany Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Fa hahahy eo anatrehan’ny masoandro amam-bolana, mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra, izay efa tiany, notompoiny, narahiny, nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany; ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo, fa hanjary zezika eo ambonin’ny tany. Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon’


Izao no lazain’i Iaveh: «Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny; ny mahery, tsy hirehareha amin’ny heriny; ny manan-karena, tsy hirehareha amin’ny hareny.


Fa dia narianao tokoa va izahay, sy ho tezitra tsy an’erany aminay va Ianao?


Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: toy ny tahom-boaloboka any amin’ny hazo an’ala, izay hazo atolotra ho levon’ny afo, no hanolorako ny mponina ao Jerosalema.


Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko; ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.


Haninji-tanana hamely azy ireo Aho, ka hataoko lao sy simba ny taniny, hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah, dia ho fantany fa Iaveh Aho.


I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!


Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany, ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy? Hisondrotra tahaka an’i Nila ny tany manontolo, hisondrotra sy hietry tahaka an’i Nilan’i Ejipta izy.


Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin’ny diany, ny lohasaha hitresaka toy ny savoka eo anoloan’ny afo, toy ny rano voarotsaka amin’ny tany misolampy.


Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany, ary miempo ny havoana; mientanentana ny tany eo anatrehany, dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.


Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.


Halatsako am-pahoriana ny olona, ka hiraparapa toy ny jamba, satria nanota tamin’i Iaveh izy. Hiraraka toy ny vovoka ny rany, ary toy ny zezika ny nofony.


Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?


Izaho anefa amin’izany andro izany dia hanakona ny tavako noho ny ratsy rehetra nataony, tamin’ny niviliany hanaraka andriamani-kafa.»


ary mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentily hahazoanay famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan’ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran’Andriamanitra aminy.


Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra