Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 39:1 - Baiboly Katolika

1 Tamin’izany andro izany, i Merôdàka-Baladàna, zanak’i Baladàna mpanjakan’i Babilôna, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an’i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; reny mantsy fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’izany fotoana izany i Merôdaky-Baladàna, zanakalahin’i Baladàna sady mpanjakan’i Babilôna, no nandre fa narary i Hezekià ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’izany fotoana izany i Merôdaky-Baladàna, zanakalahin’i Baladàna sady mpanjakan’i Babilôna, no nandre fa narary i Hezekià ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 TAMIN’izany andro izany no nampitondran’i Merodakabaladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; reny mantsy fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 39:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna zanak’i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko.» Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy i Davida tamin’ny alalan’ny mpanompony. Nony tonga tany amin’ny tanin’i Amôna ny mpanompon’i Davida,


dia nirahin’i Taohò ho any amin’i Davida mpanjaka, i Jôrama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an’i Hadadezera, fa niady lava tamin’i Hadadezera i Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tanan’i Jôrama.


Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.


Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.


Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon’ny Kaldeanina be rehareha, dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra izay noravan’Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,


dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?


Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra