Isaia 22:24 - Baiboly Katolika24 Hahantona aminy avokoa ny voninahitra rehetra amin’ny fianakavian-drainy, dia ny zanaka aman-jafy, ny fanaka madinika rehetra, hatramin’ny kopy ka hatramin’ny sinibe. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201124 Hahantona eo aminy ny voninahitry ny fianakavian-drainy rehetra, dia ny sampany sy ny rantsany rehetra, ny fanaka madinika rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samihafa rehetra. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA24 Kanefa hihantona hitambesatra eo amin’i Eliakima avokoa ny sampan’ny fianakavian-drainy na ny lehibe na ny kely, ka tahaka ny fanaka madinika isan-karazany, hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny, mihantona amina tsatòka anankiray. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara24 Kanefa hihantona hitambesatra eo amin’i Eliakima avokoa ny sampan’ny fianakavian-drainy na ny lehibe na ny kely, ka tahaka ny fanaka madinika isan-karazany, hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny, mihantona amina tsatòka anankiray. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, Izay zanaka sy tera-drainy rehetra, Dia ny fanaka madinika rehetra Hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samy hafa rehetra. Jereo ny tokoMalagasy Bible24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra. Jereo ny toko |